Tourte aux trois viandes

114

TOURTE AUX TROIS VIANDES

ZAVATRA ILAINA :

Nofon'akoho 300g
Toton-kena kisoa sy omby 300 g
Tongolo lehibe, zava-maitso sy hanitra izay tiana (kotomila, tongolo ravina na « poireaux », tongolo gasy)
Pâte feuilletée (ilay efa vonona) 2
Atody 1
sira
Menaka oliva na hafa 2sotro,
« Sauce huitre » : 2 sotro ( tsy voatery)

FIKARAKARANA :

- Tetehana efajoro madinika ny nofon'akoho, asiana « sauce huitre » sy tongolo gasy voatoto, avela hilona kely.
- Alaina ny « bol » lehibe, arotsaka ao ny hanitra voatetika madinika, afaka atao betsaka araka izay hitiavana
azy ( tongolo, « poireau », persily , tongolo ravina sns) afangaro miaraka amin'ny toton-kena , asiana sira, -
arotsaka ny nofon'akoho, afangaro tsara
- vakiana ny atody ka atokana ny tamenany, ny tapotsiny kosa ampiarahana amin'ity fangaro
- alaina ny lasitra, somary hosorana dibera kely na menaka kely mba tsy hiraikitra
- velarina eo amboniny ny « pâte feuilletée », arotsaka ny fangaro, saromana amin'ilay « pâte feuilletée »
faharoa indray, ary tapahana izay mihoatra (somary atao mihoatra 1sm ny paty ka araikitra ny sisin'izy roa :
sarony sy ilay amin'ny lasitra hitambatra), ny ambiny kosa afaka hetiketezana manome sary ravina, voninkazo,
na soratra izay tiana ka apetraka amboniny mba hanaingo azy
- vita izay, dia hosorana ilay tamenaka atody natokana teo.
- Somary didina kely ny eo afovoany na manao « cornet » kely amin'ny « feuille aluminium » mba hivoahan'ny
entona , ka atsindrona eo afovoany.
- Andrahoina anaty lafaoro 180°C, jerijerena ka rehefa mahazo loko tsara ny paty dia masaka izy izay.
- Aroso miaraka amin'ny salady « laitue » na salady ovy

Mazotoa o 

nahandron 'i NyÉko Soké Zita 

 

Matériels: