Brioche fait maison

32

zavatra ilaina

Farine. 250g, levure boulanger 1/sachet. ( saf instant) oeuf 2, sel 1 cac, sucre 2 cac, beurre kely anosorana ny plaque .

Fikarakarana azy

Atao fontaine ny farine dia asiana sira sy sucre ary levure dia aroina tsara.

Lavahana eo afovoany avy eo dia arotsaka ny atody efa voakapoka tsara mialoha.

Volavolaina tsara (Petrisser- na tsara) ary tapohina ronono matimaty tsikelikely mandra pahazo pate lisse tsara. Tsy maina loatra nefa tsy mifotetaka manaraka tanana fa souple tsara. 

Vita izay dia atao boule dia atao anaty recipient lehibebe mba itomboany tsara. Saromana lamba matevina pendant 1h30 mba hitombo.

Rehefa mibontsina tsara dia volavolaina (petrisser -na) indray dia atao lavalava ary dia tapatapahina araka izay habeany tiana.

Atao boule kely indray ireo ary volavolaina 30 segondra .

Atao boule tsara amin' izay dia asiana trace + eo amin'ny tampon'ilay boule, saromana kely 15mn indray hibontsina .

Osorana jaune d'oeuf ilay tampony dia apetraka eo ambony plaque efa nosorana beurre.

Afanaina 15 mn mialoha ny lafaoro, dia atao ao anaty four 180 degre 30 mn. 

Azo osorana sirop de sucre ny tampony rehefa vita. 

NB: Tsy voafaritra ny ronono fa rehefa arotsaka tsikelikely izy ka mahazo an'ilay pate souple tsara dia izay ihany. Kely fotsiny ilay ronono . Raha betsaka indrindra dia eo amin ny 60 ml 

Mazotoa indray o

Recette de Vololona Rakotozafiarison 

Catégorie: 
Matériels: 

Commentaires