Atinkena sy sakaibe

390

ATINKENA sy SAKAIBE - foie de bœuf aux poivrons

ZAVATRA ILAINA :
Atinkena omby 650g
Sakaibe mavo, maitso, mena 1/2 avy ( 1avy raha ny fangarony no betsaka)
voatabia 4 (tsy nampiasa aho teto fa tsy nanana)
persily tahony maromaro
Tongolo be 3 isa
tongolo gasy hasiny 4 
Voasary makirana 1
dipoavatra sy carry 1 sotrokely avy
Menaka 3 sotro (menak'oliva raha misy)
sira

FIKARAKARANA :
- Tetehana lavalava toy ny kitoza ny atinkena (somary asompirana ny fandidiana azy ary atao manify tsara ). 
- Atao anaty lovia jobo, asiana sira, dipoavatra, carry, tongolo gasy, persily, ary ny ranom-boasary makirana (antsasany). 
- Avela hilona 1ora farafahakeliny.
- Voasana dia tetehana ny sakaibe sy ny tongolo. Siraina.
- Arehatra malelaka ny afo, afanaina ny menaka, arotsaka ny tongolo. 
- Rehefa mahazo loko mamiratra sy somary azo itarafana, dia arotsaka indray ny sakaibe, aroina.
- Rehefa somary masaka indray io, dia arotsaka ny voatabia. (Somary mitera-drano kokoa izy eto raha nasianao voatabia )
- Farany, arotsaka ny atinkena, tsy ahandroina ela fa 8 -10 minitra eo, manjary lasa fingotra rehefa hohanina.

Alohan'ny handroso azy dia mbola afaka rarahana ilay antsasaky ny ranom-boasary makirana ambiny. Tsara raha aroso mafana vao vita iny.

Mazotoa homana tompoko !

nahandron'i  Vero Randriam

 

 

Catégorie: