Catless na katilesy

25

 

ireto misy recette maro samihafa fanaovana catless samia maka izay tiany. 

Recette n°1 de Vololonirina Raheliarinosy 

Ovy 600 g ( olona 4)Totokena. 250 gTongolo gasy, gros oignon, sakamalaho kely kikisanaAtody 2 hanendasana ny catless.Andrahoana aman-kodiny ny ovy, atao ritra tsara mba tsy iparitaka rehefa endasina. Andrahoana koa ny totokena atao ritra tsara koa . Potserina ny ovy ary afangaro miaraka @ totokena sy tongolo. Asina sira sy zay tsiro tianao atao aminy. Volavolaina atao fisaka borobory. Hafanaina ny menaka, atao be be . Arotsaka ao anaty atody avy nokapohina ny catless alohan' ny androtsahana azy ao anaty lapoaly. Rehefa mendy ny ilany dia avadika ao @ ilany indray fa rarahana atody kely aloha n' ny hamadihana azy. Matetika lafarina no ataon' ny olona fa mba andramo ny atody fa mampatsiro azy.

 

Recette n°2 Catless kabaro de Onitriniaina Rova Andriantsoa

Andrahoina malemy ny kabaro 1 kapoaka dia voasana, ny atsasany ihany no potserina dia afangaro totokena manta 250g,kotomila, tongolo maitso, sira, poivre, atao boribory fisaka, apandalovina atody voakapoka dia endasina @ afo malefadefaka, ny ambina kabaro nasiana sauce tomate+oignon kely dia natao ro.

 

recetten°3 de Onitriniaina Rova Andriantsoa: CATLESS SAONJO

andrahoina ny saonjo, potserina dia asina totokena, sel, poivre, ail, coriandre, ciboulette. Atao boribory fisapisaka (osorana menaka ny tanana dia tsy miraikitra @ tanana) dia endasinaAmpiarahana @ vary sosoa.

 

recette n°4 de Rakoto Domoina 

totokena 125g,ovy 1/2kg, tongolo maitso (vodiny3), atody 1, lafarine 3 càs,sira ,poivre, rano.

Andrahoina aman-kodiny ny ovy, rehefa masaka dia voasana, potsehana tsara @ fourchette, atao anaty vilia jobo lehibebe, arotsaka ny totonkena(manta), tongolo maitso voatetika, sira, poivre, afangaro volavolaina. etsy ankilany afangaro ny farine sy atody dia asiana rano kely sy sira kely (tsy atao matsora be). Mamana menaka anendasana.rehefa mafana dia maka bolabola dia asosa ao anatin'ilay farine dia endasina. 

 

recette n°5 de Holinirina Ramanankasina

- Ahandroina ny ovy, dia voasana, dia potserina,

- endasina kely fotsiny ny potikena miaraka @ poivre sy oignon,

- afangaro daholo ireo dia asiana sira, sy coriandre kely,

- volavolaina atao bory fisaka.

- Alaina ny atody 1 na 2 dia kapohina tsara, dia asiana curry, dia ampiana farine sy rano ary sira kely. Tsy atao mandranoka be sady tsy atao marihitra be koa

- Hafanaina atao mamay tsara ny menaka atao 1,5 na 2 cm ny ahavon' ny menaka ao anaty poêle mba ho difotra ilay endasina

- Alaina ilay efa voavolavola iny, dia atsoboka ao anatin' ilay tsoran' atody sy farine, dia atao ao anatin' ilay menaka efa ambony afo iny, dia avadika malaky fa tsy andrasana efa, dia masahana @ izay.

Bon appétit e!

Mazotoa misafidy ary! 

 

Catégorie: 
Matériels: