Laingo-tsoasety sy voanjo

61

Laingo-tsoasety sy voanjo

Zavatra ilaina

Laingo-tsoasety 2 fehezana
Voanjo 1kapoaka
tongolo be 1lehibe,
Celeri,
Tongolo gasy,
Sakamalaho,
sira,
menaka kely

Fikarakarana

Rehefa voadio dia tetehina ny anana, 
Toroina tsy atao toro be ny voanjo
Afanaina menaka kely, alefa ny oignon voatetika sy totona tongolo gasy ary kikina sakamalaho 
Arotsaka ny celeri voatetika madinika
Rehefa mivoaka tsara ny hanitrany dia arotsaka ny anana avela hiverina hangotraka vao tapohana rano ½ l, rehefa miverina mangotraka indray vao arotsaka ny voanjo
Rehefa tonga amin’ny ranon-daoka tadiavina dia vita, tsy atao ritra fa atao ketsaketsa

Mazotoa daholo e!

Nahandron'i Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: