By Andry Rakotomavo
Lasary kokombra sy katsaka
Soumis par andry le dim, 02/22/2015 - 07:33
126
LASARY KOKOMBRA SY KATSAKA
Mbola mitady dikan-teny malagasy amin'ny "concombre " indray aloha fa mandrapa dia ireto no heno :kaokaombra , kokombra, na kinesy hono any amin'ny faritra sasany ao Madagasikara
ZAVATRA ILAINA:
concombre 2
voatabia vaventy 6
katsaka amin'ny boaty 1/3.
Persila na kotomila kely
Fikarakarana azy:
Tetehina majinika ny concombre sy voatabia
Ariana ny rano ny katsaka amin'ny boaty .
Tetehina majinika koa ny persila na kotomila kely.
Afangaro anaty tsatokaty izy rehetra
Manao saosy vinaingitra ; menaka, voasary makirana, sira, tongolo be, siramamy kely , moutarde araka izay tiana
dia afangaro tsara daholo ao anaty saladier andramana ny sira
vita tompoko dia mazotoa
Nahandron'i Nylà Rom Bauserman
Catégorie:
Matériels:
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire