Lelan'omby saosy

58

LAOKA : LANGUE SAUCE - LELAN'OMBY SAOSY

ZAVATRA ILAINA: 

lelan'omby
tongolo be 
voatabia
tongolo be
sakamalaho
dipoavatra
sira
lafarina

FIKARAKARANA AZY:

Andrahoina bolongany be ny lelan'omby anaty rano mampangotraka izy mbola mafy iny fa efa nilona rano dia avoaka ary kikisana ilay fotsifotsy hiala ilay marokoroko iny, rehefa madio dia kobanina tohizana andrahoina ary izay vao sisihina tongologasy.

Rehefa nandrahoina ka malemy tsara amin'izay, dia tetehana araka izay habeany tiana.
Manao saosy voatabia sy tongolo ary sakamalaho ary asiana dipoavatra kely.

Rehefa vita io dia asiako rano kely sy farine ary rehefa marihitra tsara ny saosy dia vita.

Arotsaka ao ny lelan-kena haka tsirony dia azo aroso amin'ny vary sy lasary
Raha asiana petits pois kosa dia andahoina mitokana ny petit pois ary afangaro fotsiny rehefa samy masaka haka tsirony dia asiana saosy (tsy asiana lafarina izy eto) .

Mazotoa homana o
Mazotoa o

Catégorie: 
Matériels: