Mofo legioma

117

Mofo legioma - mofo anana

zavatra ilaina:

laisoa (chou doux),
karaoty voakiky 
persil,
tongolo mena,
voatabia
tongolo lay,
sira  
dipoavatra,
atody,
lafarina,
menaka fanendasana
 

Fikarakarana azy: 

Tetehina ny laisoa (chou doux), afangaro amin'ny karaoty voakiky, persil, tongolo mena, voatabia sy tongolo lay voatetika dia asiana sira sy dipoavatra.

- maka bol dia manao "pâte à beignet" tsotsotra :atody 3 sy lafarina 3 sotro lehibe, dia asiana sira sy dipoavatra koa

- hafanaina ny lapoaly dia asiana menaka dia endasina  , alaina amin'ny sotro ary 2-3 minitra fotsiny dia avadika dia toy izay koa ny fahandroana azy. Eo amin'ny 5 minitra raha ela indrindra fa dia nikarepodrepoka tsara.

mazotoa o 

de Caro Lia 

Catégorie: 
Matériels: