Pains au raisins

109

Pains au raisins

Zavatra ilaina
1 tsongo sira  
11g lalovay " levure de boulanger "
2 atody
50g dibera malemy, 
50g siramamy 
1 vera ronono matimaty
 

Fikarakarana azy :

- atao ao anaty "bol" ny lafarina, siramamy. dibera nohalemena, lalovay, ronono matimaty, sira.
Afangaro tsara daholo ireo ary kapohina mandritra ny 6 -10 minitra mandram-piendak'ilay paty ka tsisy miraikitra amin'ny sisiny intsony. Dia apetraka amin'ny toerana mafanafana mandritra ny ora 1 mba hitombo avo roa heny ny habeny.
- mandritra izay fotoana izay, manao creme patissiere:

Creme patissière:

500 cl ronono
5 tamenakatody 
100g siramamy 
60g lafarina na maizena
"vanille" tahony iray na izay tiana
100g voaloboka maina (raisins secs)

Fikarakarana azy:

Afangaro ny tamenak'atody, asiana siramamy, vanille, kapohina tsara mandrampahalevona tanteraka ny siramamy. Arotsaka ny maizena na farine 60g. Dia afangaro tsara mba tsy hisy mivongambongana. Araraka ao ny ronono masaka sy ny voaloboka maina dia ataingina afo amin'izay.
Rehefa mitambatra marihitra tsara daholo dia avela hangatsiaka amin'izay.
- Alaina ilay paty nitombo be iny dia fisahana. Atao "rectangle" 45 sm ny halavany ary 35 sm ny sakany. Dia atao eo ilay "creme patissiere". Aparitaka tsara avy eo fisahana ho 1sm eo ny hateviny. Dia ahorona atao toy ny tsihy amin'izay. 
- avy eo didiana 1sm ny habeny.dia avela hipetraka kely @ toerana mafanafana indray mandritra ny 30 mn mba hitombo kely farany.
- rehef' izay dia ampidirina lafaoro  efa nafanaina mialoha 180 degre mandritra ny 30 na 40 mn.
Mazotoa 

Nahandron' i Holinirina Ramanankasina

 

 

Catégorie: 
Matériels: