Pizza au champignons

241

Pizza vita atrano - pizza misy olatra

Zavatra ilaina

- voatabia torotoro iray boaty1 (tomates purée) , olatra (champinion de paris) singany dimy5, tongolo lehibe singany 1, bacon ( kibokiso tetehina manify)100g, fromage 200g ary farany voatabia tetika manify (tranche de tomates) singany 2.
 farine, atody, rano, levure boulangere,  levure essentiel

Fikarakarana azy:

1- ny fomba fanaovany ny patiny dia atambatra ny farine, atody, rano, levure boulangere,  levure essentiel, rehefa malefaka ohatran'ny elasitika mitovy na @ siligoma dia efa mety tsara izy zay. Atao ndray andro mialoha ny patiny avy eo saromana lamba dia avela itombo mandrapam-piasaina azy.

2-Apetraka ambony lasitra izay tiana ny patiny

3- Fisahana tsara mba ahazo ny velaran'ny lasitra

4- Osona mameno ny lasitra ny voatabia torotoro (purée de tomates )

5- Tetehina manify ny olatra(champion ), tongolo, voatabia ary ny kibona kisoa, ra tsy mihinana kisoa dia azo anolona azy ny crevettes

6- arotsaka ny olatra eo ambonin' ny voatabia torotoro, manarak' izay ny tongolo avy eo kibokiso, eo ambonin' ny kibokiso ny fromage ary farany ny voatabia votetika manify .

Tsy mila menaka na dobera ny lasitra, lafarinina maina no araraka otrany ao @ sary manampy ny fanazana.

Mazotoa ary o 
de Prisca Randriharimalala

 

Matériels: