Soupe au riz

279

SOUPE AU RIZ
zavatra ilaina hoan'olona 4
1--- vary 1/2 kapoaka, taolan'akoho, atody 4, sira, sakamalaho, tongolo maitso, kotomila
2--- Boulette chinoise: totokena (akoho no nampiasaiko teto) 250g, ail, sakamalaho, atody 1, fecule 2 sotro, sauce soya 1 sotro, menaka 2 sotro, sira
3--- Tsa tsio: soro-kisoa 250g, sakalamaho, ail, sauce soya 1 sotro, siramamy 1sotro, rano, menaka
Fikarakarana:
--- Lomana mandritra ny 2h ny vary fotsy, atao ro ny taolan'akoho, sakamalaho, sira. Andrahoina ny vary ary tanehina halemy, tampotampoina amin'ilay ron'akoho ary tsy avela ho ritra. Aroso mahamay ka rehefa voaloatra vao alefa ny atody (tsy kapohina) dia fafazana tongolo maitso sy kotomila, asiana tsatsio sy boulette chinoise
--- Boulette chinoise; totoina hifangaro ireo fangaro rehetra dia avela hilona 2h, mampangotraka rano, volavolaina amin'ny sotro ny fangaro dia arotsaka anaty rano mangotraka, esorina izay mitsingevana, afanaina ny menaka dia asoka ao izay vita
--- Tsa tsio: lomana mandritra ny ora 2 ny hena, sira, totona tongolo gasy ary kikina sakamalaho. Manao karamelina amin'ny siramamy sy rano, rehefa mahazo loko dia alefa ny menaka tokony ahamendy ny hena, arotsaka ny hena avy eo alefa ilay sauce soya, raha tsy nitera-drano dia ampiana rano kely, rehefa ritra dia vita (tsy avela ho may fa mangidy a) 
Mazotoa daholo e!
 

recette de Aina Rakotoarisoa

 

Catégorie: 
Matériels: