Astuces

Ny romarin

MILA TANDREMANA ihany koa ny fampiasàna ireny zava-maniry ho fanafody ireny fa misy ny CONTRE INDICATIONS....

Ohatra ny Romarin dia tena tsara ho an'ny fikorianan'ny ra, mampalalaka ny lalan-dra, tsara ho an'ny olona voan'ny "rhumatismes, arthrites, courbatures".

Fa TSY TSARA kosa ho an'ny vehivavy bevohoka, ho an'ny zaza mbola kely loatra ary ny olona mararin’ny epyleptie, ohatra fotsiny io ka aleo manadihady tsara alohan'ny hampiasana azy.

Ny ravinala

Vaha olana ho an'izay mitohana, na koa izay manana fahasarotana eo amin'ny fivalanan-drano, ireo izay mibinabina misy fivontovontosana ny tenany vokatr'izany ny ravina ravinala :

maka raviny lehibebe dia ampangotrahina ao anaty rano 1 litatra sy sasany izany. Rehefa hita fa "masaka" dia entanina ka dia atao rano fisotro mandritra ny andro.

Marihina fa rehefa maka ilay ravina ravinala, dia izay efa miondrika no alaina fa tsy ilay mbola mitraka, somary efa mihamavo ny lokon'ny ravin'izay miondrika fa ilay mitraka kosa mbola maitso be.

Ny baobab

Hazo lehibe ny baobab na RENIALA, afa-miaina 1000 ka hatramin’ny 2000 taona. Mety mahatratra 25 m ny hahavony ary 9 m ny hateviny. Nefa misy ny karazany fohy : 4-5 m ihany koa. Mahatahiry rano betsaka izy. 8 karazana ny baobab eran-tany, ny 6 amin'ireo dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara

Ny voan’ny baobab dia tena feno otrikaina tokoa, misy calcium indroa mihoatra ireo ny fatra hita ao anatin’ny ronono sy ny épinards, ahitana ny vitamine C mihoatra lavitra noho ny hita ao anaty voasary, ao koa ny B1 sy E

Ny kininina fotsy

Hazo lehibe ihany izy ity. Mandefa fofona manitra tahaka ireny kininina tsotra mahazatra ireny ihany ny raviny rehefa polipolesina, saingy madinidini-dravina kokoa. Miloko fotsy ary misarina fo ny raviny. Saika hita amin’ny faritra maro misy tany masaka somary ambanimbany toerana.

 

Ny persil (1)

Marobe tsy tambo isaina ny voka-tsoa azo avy amin’ny persil, misy vitsivitsy ho entina aminao ireto ka ny tena misongadina amin’izany dia ny :

-      Fanadiovana ny voa (reins) izay efa reraka nanadio ireo loto sy poizina rehetra tao amin’ny vatan’ny olombelona ka mila diovina sy sitranina mba ahazo hery vaovao indray hahafahany manohy manatanteraka io andraikiny ao amin’ny tenan’ny olona io

Sakafo mahasalama

Ilaina ny fihinanana karazan-tsakafo.

Inona avy àry izy ireo karazan-tsakafo tsara hohanina ary inona no soa entiny ? 

 

Akondro 

Manan-karena vitamina B6 sy C ny akondro izay tena mampatanjaka tokoa satria feno “glucides" sy “magnesium”. Izy somary somasoma iny no tena manan-karena vitamina sy “sucres lents” kanefa tsara ho fantatra ihany koa fa isan’ny voankazo tena mampatavy ny akondro ka tsy tsara hanina amin’ny alina. Ny akondro koa anefa dia tsara amin’ny toetra satria mampifalifaly izy io. 

 

Papaye

Sakamalaho

Ireo tombotsoa 10 avy amin'ny sakamalaho, sakay tany ...

1. hitsaboana ny homamiadan'ny ovaire

2. hisoroana ny homamiadan'ny tsinay be

3. Mampihena ny misalebolebo amin'ny maraina

4. manamaivana ny folaka, sy ny mioritra...

5. mampihena ny fanaintainana sy ny fivontosana

6. Ambava-fo milelalela

7. hisorohana ny aretin'ny voa sy ny aretin'ny retine ny ireo diabetika

8. manamaivana ny migraine(aretin'andoha)

9. manamaivana ny fararin'ny fadim-bolana

10. hisorohana ny gripa sy ny sery

 

Ny tantely

Mahasalama ny tantely saingy ny fomba hihinanana azy sy ny vokatsoa entiny mazava angamba no mbola tsy hainao avokoa ?

Hoditra manaintaina na maratra : Raha misy maratra ety ivelany na mangatsiaka loatra ny tanana dia azo hosorana tantely, mampikatona haingana ny fery izany sady mampitony ny fanaintainana. Na ny mivonto aza mihena misy azy. Raha sendra mihofaka na misy fanaintainana hafa ny hoditra dia asiana tantely ny lamba madio ary iny no apetaka amin’ny faritra marary.

NY SAKAFO MALAGASY

Manana ny tena maha izy azy mihoatra ny an'ny vahiny tokoa ny sakafo Malagasy, miavaka na eo amin'ny lafin'ny nahandro (haify), na eo amin'ny lafiny kolontsaina.
Rehefa misakafo ny malagasy dia mamelatra tsihy fihinanana (Lambanana) eo amin'ny tany ka eo no mipetraka sy mihinana ny mpianakavy, ary ny vahiny.
Taloha dia nihinana tamin'ny tanana ny malagasy fa taty aoriana vao nampiasa sotro, ravin-javatra kosa no natao solon'ny lovia, na tonga dia apetraka eo ambony tsihy

Tamotamo

TAMOTAMO (Safran,Curcuma)

Pages